<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><author>J.B.Dykes</author>
<title>Endrey ny voninahitrao FFPM11</title>
<lyrics>[V1]
 Endrey ny voninahitrao
 Ry Ray Tsitoha ô !
 Endrey ny fiandriananao
 Hajainay eram-po.

[V2]
 Ny herinao, ny andronao,
 Dia mandrakizay !
 Ny lanitra mitsaoka Anao
 Ry Andriamanitray.

[V3]
 Ny tavanao mamiratra
 Ny fahamasinanao
 Sy hery tapitr'ohatra
 Ny fahendrenao soa.

[V4]
 Endrey, matahotra aho izao,
 Ry Tompo Masina ô !
 Mangovitra eo imasonao
 Sao dia lavinao.

[V5]
 Na dia ambony Hianao,
 Dia nidina amiko
 Nitondra fihavanana,
 Ka dia mba tiako.

[V6]
 Koa aiza re no misy ray
 Mitovy Aminao :
 Mikarakara tsara anay
 Izay natsanganao.

[V7]
 O, mahagaga Hianao,
 Ry Tompo tia anay,
 Ny fonay dia hatoky Anao
 Ambara-podinay.</lyrics>
<hymn_number>11</hymn_number>
</song>